Matthew 7

1Aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo. 2Fa amin’ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo, ary amin’ ny fandrefesana andrefesanareo, no handrefesana anareo.

3Nahaoana ianao no mijery ny singa-mololo kely izay ao anatin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy tsikaritrao ny andry ao anaty masonao? 4Ahoana no hitenenanao ny rahalahinao hoe: ‘Avelaho aho hanala ny singa-mololo izay ao anaty masonao,’ raha mbola ao anatin’ny masonao ilay andry? 5Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny andry izay ao anaty masonao, ary avy eo ianao hahita tsara rehefa manala ny singa-mololo izay eo amin’ny mason’ny rahalahinao.

6Aza omena ny alika izay masina, ary aza hatsipy eo anoloan’ny kisoa ny vatosoanareo. Raha tsy izany dia mety ho voahitsany ny tongotr’izy ireo, ary avy eo hifotitra sy hamiravira anareo amin’ny fahapotehana.

7Mangataha, dia omena anareo izany. Mitadiava, dia hahita ianareo. Dondony, fa hisokatra ho anareo izany. 8Fa izay rehetra mangataka, dia mahazo; ireo rehetra izay mitady, dia mahita; ary ho an’ny olona mandondòna, dia ho vahana. 9Sa iza aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanolotra vato ho azy? 10Na koa raha nangatahiny trondro, ka hanolotra bibilava azy?

11Noho izany, raha ianareo izay ratsy aza mahay manome ireo fanomezana izay tsara ho an’ny zanakareo, moa tsy lehibe mihoatra va ny zavatra tsara omen’ny Rainareo izay any an-danitra ho an’ireo izay mangataka aminy? 12Noho izany, na inona na inona zavatra tianareo ho ataon’ny olona amin’ny tenanareo, dia tokony hanao toy izany amin’izy ireo ihany koa ianareo, fa izany no lalàna sy ireo mpaminany.

13Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mitondra any amin’ny fahaverezana, ary maro ireo olona izay mandeha amin’izany. 14Fa tery ny vavahady ary sarotra ny lalana izay mitarika mankany amin’ny fiainana, ary vitsy ireo izay mahita izany.

15Mitandrema amin’ireo mpaminany sandoka, izay manatona anareo amin’ny fitafian’ondry nefa amboadia tena mpihaza. 16Amin’ny alalan’ny voany no hahafantaranareo azy ireo. Mioty voaloboka eny amin’ny tsilo va ny olona, na koa aviavy eny amin’ny songosongo? 17Mitovy amin’izany, ny hazo tsara rehetra dia mamokatra voa tsara, fa ny hazo ratsy dia mamokatra voa ratsy.

18Ny hazo tsara dia tsy afaka ny hamokatra voa ratsy, na koa ny hazo ratsy dia tsy afaka mamokatra voa tsara. 19Ny hazo rehetra izay tsy mamokatra voa tsara dia kapaina ary hatsipy any anaty afo. 20Ka noho izany, ho fantatrareo izy ireo amin’ny alalan’ny voany.

21Tsy ireo rehetra izay miteny amiko hoe: ‘Tompo, Tompo,’ dia hiditra ny fanjakan’ny lanitra, fa ireo izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra ihany. 22Maro ireo olona hiteny amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamin’ny anaranao ve izahay, tsy efa namoaka ireo demonia tamin’ny anaranao, ary nanao ireo asa lehibe tamin’ny anaranao?’ 23Avy eo Aho hanambara amin’izy ireo ampahibemaso hoe: ‘Tsy nahafantatra anareo mihitsy Aho! Mialà lavitra Ahy, ry mpanao ratsy!’

24Noho izany, ireo rehetra izay mandre ny teniko ary mankatoa izany dia ho tahaka ny olona hendry izay nanorina ny tranony eny ambony vatolampy. 25Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, fa tsy nianjera izany, satria nahorina teo ambony vatolampy.

26Fa ny rehetra izay mandre ireo teniko ka tsy mankatò azy ireny dia tahaka ny olona adala izay manorina ny tranony eny ambony fasika. 27Nirotsaka ny orana, tonga ny tondra-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, ka dia nianjera izany, ary feno ny faharavany.”

28Ary rehefa avy nanambara ireo teny ireo Jesosy, talanjona tamin’ny fampianarany ireo vahoaka, satria nampianatra azy ireo tahaka ny olona izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ireo mpanora-dalànan’izy ireo.

29

Copyright information for PltULB